SocialTsidika

Lasa fanararaotana ny fivarotana fanafody

Iarahan’ny rehetra mahalala fa maro ireo olona mandalo tsy fahasalamana amin’izao vanin’andro iainantsika ankehitriny izao. Milahatra sy mitotototo eny amin’ny toerana fivarotam-panafody isan-karazany hitsaboana tena. Maro ihany koa anefa ireo olona manararaotra ny zava-misy ankehitriny. Mividy karazana fanafody eny amin’ny farmasia ary miverina mivarotra izany amin’ny vidiny avo roa heny noho ny tena vidiny. Amin’ny tambazotra serasera Facebook moa no tena hivarotan’ireo azy.

Vokatr’izany, tena sahirana ireo marary sy ireo mitady fanafody vao mahazo izany. Misy ireo tsy mahita izay ilainy eny amin’ny farmasia satria lany ny “stock”. Misy koa ireo tsy manana fahefana mividy ireo varotana amin’ny tambazotra noho ny vidiny midangana loatra. Isan’ireo fanafody tena ilaina hiarovana sy hitsaboana tena tokoa ireo fanafody misy manararaotra ireo. Mitaraina ny olona sasany noho izany ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fanjakana misahana ny fahasalamana hijery akaiky ity tranga ity. Ilaina ny mandray fepetra mahakasika izany.

Fenohasina Ratsimamitaka

Laisser un commentaire