Mahajanga : Efa-dahy voasamabotra niaraka tamin’ny rongony 117 kilao
Niparitaka izay tsy izy ny zava-mahadomelina tato ho ato, ary isam-paritra saika nahenoana izany avokoa. Toy ity tany Mahajanga ity, rongony 6 gony sy tapany milanja 117 kilao no saron’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Teo am-pitaterana azy no nahatratrana azy ireto ny talata lasa teo.
« Nentina tamin’ny posy no nahatratra ireo rongony efa fono tao anaty gony sy selofanina. Ireo mpitarika posy sy ilay mpanaraka no saron’ny polisy ka ireo no nanondro ilay tompon’entana nahafahana nisambotra azy ireo » hoy ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana.
« Efa tena mitobaka loatra ny zava-mahadomelina eto amintsika. Eo aloha ilay tsy fanajana ny lalàna eto amintsika voalohany, dia eo ihany koa ny tsy fandraisanana andraikitra hany ka samy manao izay tiany. Efa tena miroborobo ny zava-mahadomelina, ary tsy eto ihany io fa hatreny ifotony misy mamboly sy miandry fotsiny, ireny no tena tokony henjehana ary amoahana lalàna » hoy i Simon, mpandinika fiaraha-monina.
Mila fandraisana andraikitry ny tsirairay hatrany araka izany raha mitady fampandrosoana na miady amin’ny fandriam-pahalemana indrindra amin’ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina, izay manimba ny maha-olombelona voalohany. Ny fametrahana lalàna eny ifotany ihany koa anisan’ny mahomby raha voahaja sy ampiharina.
Manitra Ramanantsoa
