ActualitésTatitra

Royaume-Uni : 10 Downing Street, toeram-ponenana vaovaon’i Elisabeth Truss hatramin’ny 2025

Tranom-panjakana ary toeram-piasan’ny praiministr’i Royaume-Uni, Grande-Bretagne ary Irlande avaratra ny 10 Downing Street. Ao Downing Street, ao amin’ny tanànan’i Westminster, akaikin’ny tranon’ny Parlemanta ao afovoan’i Londres no misy azy.

Io trano io dia lasan’ny « premier lord du Trésor » na ny lehiben’ny governemanta an’i Royaume-Uni hatramin’ny fitsaharan’ny fe-potoam-pitantanany. Liz Truss no nisolo an’i Boris Johnson ao amin’izany fonenana izany nanomboka ny 6 septambra teo.

Varavarana mainty mitondra ny laharana faha-10 anisan’ny malaza indrindra ao Royaume-Uni ny hita amin’io trano io. Na dia manana endrika toy ny trano rehetra aza izany, dia voara-mason’ny manam-pahefana tanteraka ny fifamezivezena eny an-toerana.

Laisser un commentaire