ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Jiolahy miisa telo lavon’ny balan’ny zandary

Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny jiolahy sy ny zandary, ny alin’ny alatsinainy, hifoha talata tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Jiolahy avy nanafika tanàna tany Soanarivo, kaominina Fiaferana ireto nifanenjehana ireto, ka izao tratra tao Ambohimangakely izao, araka ny voalaza.

« ny alatsinainy 29 janoary, tamin’ny 8ora alina, nanafika tanàna tao Soanarivo, kaominina Fiaferana ireo jiolahy nirongo fiadiana ka nitady lalana nitsoahana. Vao naheno ny fanafihana anefa ny zandary rehetra manodidina ilay toerana dia samy nanidy kizo niambina avokoa. Nandrindra ny paik’ady teny ankianja mihitsy ireo manamboninahitra roalahy, ny Kapiteny sy Lietnà, lefitry ny komandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Antananarivo Renivohitra. Nirotsaka an-tsehatra ny Komandin’ny tobim-paritra Ambohimangakely sy Ambohimalaza sy ny CP Soamanandrariny samy nitondra ekipa mavitrika avokoa niaro ny faritra mety handalovan’ireo jiolahy » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« tamin’ny 1 maraina, handalo an’Ambohibary, fokontany Tsarahasina,kaominina Ambohimangakely ireo jiolahy. Faly mikoràna fa nahavoa. Hiakatra an’i Tsitiamainty hahazo ny làlana hivoaka Mahazo. Toerana malaza ratsy ho fitsoahan’ireo jiolahy avy nanafika. Nitifitra ireo jiolahy miisa 7. Namaly ny zandary. Lavo naratra ny telolahy ka nitsoaka ny ambiny. Maty soamantsara moa izy telolahy tsy fantatra anarana na dia nakàna ambulance ihany aza » hoy hatrany ny fanazavana.

Basimborona calibre 12 sy bala 4 tsy mbola nipoaka sy bala efa avy nipoaka maromaro niampy sabatra sy antsy lava ary pince coupante, ireo no fitaovana nentin’ireto fiolahy ireto nanao ny asa ratsiny. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo jiolahy hafa tafatsoaka.

Laisser un commentaire