Pakistan : Voaheloka higadra 10 taona an-tranomaizina ny praiministra teo aloha, Imran Khan
Andro vitsy mialohan’ny hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka sy governoram-paritra any Pakistan, dia voaheloka higadra na miampy sazy folo taona an-tranomaizina indray ny Praiminisitra Pakistaney teo aloha, Imran Khan sy Shah Mehmood Qureshi, minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha ary laharana faharoa ao amin’ny antoko Pakistan Tehrik-e-Insaf (Pakistan Movement for Justice, u PTI), noho ny famoahana taratasy (documents classifiés). Tao amin’ny fonjan’i Adiala, any Rawalpindi, izay toerana hitazomana an’ity praiministra teo aloha ity hatrany no nanambarana izany didim-pitsarana izany. Ny tenany izay efa notanana am-ponja noho ny raharaha samihafa, hatramin’ny volana aogositra 2023.
