Canada : Nanagana teti-dalàna mandrara ny fitsaboana mba hanovàna olona ny Solombavambahoaka
Natsangan’ireo solombavambahoaka any Canada ny 22 jona teo ny teti-dalàna mandrara ny fitsaboana mba hanovàna olona. Ity lalàna ity dia mikendry ireo LGBT (lesbiennes, gays, bissexuels sy transsexuels) satria lanin’ny vitsy an’isa izany fanganana fitsaboana ho azy ireo izany. Nanangana ity teti-dalàna indray izy ireo ka 263 no nanaiky izany raha 63 no nandà. Antsasany mahery tamin’ny olom-boafidy tao antin’ny antoko mpandala ny nentin-drazana no nanohitra ity lalana vao natsangana ity na dia isan’ny nanaiky azan y filohan’izy ireo Erin O’Toole. Raha ny any France manokana izao, feo maro no nangatahana hangataka ity lalàna mandrara ny fitsaboana ho fanovana ny LGBT ity raha toy izany koa any Londres.
