Efa manao ezaka amin’ny famatsian-drano ny Jirama
Anisan’ny tena mampijaly sy mampitaraina ireo mponina eto andrenivohitra maro ny fahatapahana na tsy fisiana mihitsy aza eo amin’ny resaka jiro sy rano. Raha ny fantatra, efa nanao ezaka ny teo anivon’ny Jirama namahana izany olana izany, saingy mbola tsy voavaha izany hatreto.
Tsy vitsy, ary angamba ny ankamaroan’ny faritra maro eto andrenivohitra mihitsy aza, no iharan’ity tsy fanjarian’ny famatsian-jiro sy rano ity. Tsy mitsahatra mitady vahaolana ny eo anivon’ny Jirama ary anisany porofo amin’ireny ny fananganana ity tombin-drano etsy Mandroseza ity. Afaka hamokatra rano hatramin’ny 40 000m3 isan’andro ity fotodrafitr’asa ity ary mety afaka hamatsy rano ireo faritra maro eto andrenivohitra. Ankoatra izay, nanambara ny teo anivon’ny Jirama fa hisy ihany fanatsarana ireo fantsona mpitatitra sy mpizara rano eto andrenivohitra mba hialana amin’ny fahaloatoan’ny rano.
Anisan’ny tena voa mafy sy velon-taraina amin’ity jiro sy rano ity ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny tranon’ny mpianatra. Indraindray mantsy araka ny nambaran’ireo mpianatra : « tsy mandeha mandritra ny tontolo andro ny rano ary amin’ny 10 ora alina vao miverina dia tapaka indray amin’ny 6ora maraina, izany aza zara raha mandeha ». Efa nanao antso avy amin’ireo tompon’andraikitra izy ireo ary miandry izao. Manantena vahaolana maharitra sy tomombana avokoa ireo mpisitraka ny jiro sy rano avy amin’ny Jirama eto andrenivohitra.
Ally Herisoananahary
