Global Start-up Awards Africa : Fotoana iray hahafahan’ny tanora Malagasy maneho ny fahaiza-manaony
Firenena maherin’ny 30 no antsoina hiatrika izany Global Start-up Awards Africa na GSA Africa izany. Anisan’izany i Madagasikara sy ny tanora rehetra mpandraharaha ao aminy. Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny tranokalan’ny GSA izay hifarana ny 17 janoary 2023 izao.
« Misy sokajy miisa 15 azo isafidianana ao amin’ny fifaninana, anisan’izany ohatra ny mahakasika ny « startup 3.0 », ao ihany koa ohatra ny « technologie commerciale », ny « edtech », ny « meilleure startup de technologie de la santé » sy ny maro hafa. Tsy mitsanga-menatra amin’izany ireo mpandraharaha Malagasy satria maro manam-pahaizana isika ka afaka mifaninana tsara amin’ny firenena maro ato anatin’ny faritanin’ny Afrika », hoy ireo mpikarakara avy aty Madagasikara.
« Mahita aho fa manana hevitra ny tanora saingy ny enti-manana hanombohana izany no tsy ampy. Raha misy kosa anefa ireo izay omena fanampiana dia azoko antoka fa hisy ny amboara afaka entina mody. Misy sokajy maro hisafidianana ao ka afaka ny hanao izany avokoa izay manana hevitra », hoy i Menja, tanora mpandraharaha.
Ny tena tombony azo amin’ny fandraisana anjara amin’izany Global Start-up Awards izany dia ny fahazoana tsena fvaovao sy mpanjifa vaovao. Mety hahazo fanampiana ara-bola ary mety hahazo fanampiana sy tohana ara-paikady. Mandritra ny fotoana ihany koa no hahafahana mampiranty amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy tokony handalo fotsiny ity fotoana ity hoa n’ireo izay efa ao anatin’ny sehatry ny fandraharahana.
Miora Raharisolo
