Dépêches

Fety famaranana ny taona : Namoizana ain’olona sy nisamborana olona miisa 47

Dépêche 03 janvier, 12h30, Nisehoana lozam-piarakodia ny fetin’ny faran’ny taona ka olona iray namoy ny ainy tamin’izany. Nandritra izany fankalazana izany ihany koa dia razana iray no hita izay tsy fantra ny antony. Ankoatra izany anefa dia miisa 47 ireo olona voasambotra noho ny asa ratsy isan-karazany. Anisan’izany ny olona 14 voasambotra tamin’ny resaka fanendahana ary olona 4 hafa tamin’ny resaka halatra tsotra. Marihina moa fa miisa 2021 ireo miaramila no nahetsika hanao izany asa fampandriana fahalemana izany.

Laisser un commentaire