Dépêches

Fampananan’asa: Hanolotra asa ho an’olona miisa 105 000 ny sahatry ny fikirakirana lamba.

Dépêche 08 novembre, 14h, Ho fanampiana ireo olona mitady asa aman-jatony dia hisy ny fiakonan-doham-pirenena ahafahana manampy azy ireny. Hatao eto Antananarivo izany ny 9 novambra ho avy izao. Fotoana iray hifanakalozana hevitra mahakasika ny sehatry ny fikirakirana lamba mba hahafahana mamaly ny fangatahan’ireo olona rehetra te hisehatra ao anatiny sy hahafahana mamorona asa maro ho an’ireo izay sahirana. Karazan’olona maro no hanatrika izany dia ny avy ao amin’ny minisitry ny indostria, ireo mpandraharaha, ireo sindika sy ireo spesialista mahakasika ny OIT sy ireo olona maro samihafa. Vinavinaina hamoaka asa miisa 105 000 ho an’ireo mitady asa no tanjona lehibe indrindra amin’izany.

Laisser un commentaire