Ambohimangakely : Mameno ny arabe ireo mpivarotra tsy ara-dalàna
Mameno ny arabe sy ny sisin-dalana ireo mpivarotra tsy manara-dalàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Anisan’ny manohitohina ny mpampiasa lalana izy ireo vokatry ny fahateren’ny lalana, araka ny voalaza ka tokony handraisan’ireo tompon’andraikitra fepetra.
« Efa fitarainana niverimberina matetika ny mahakasika ireo mpivarotra tsy manara-dalàna kanefa tena mameno ny arabe eto an-toerana. Lasa ireo mpandeha an-tongotra sy ny mpampiasa lalana indray no mandefitra noho izy ireo izay tsy manara-dalàna » hoy i Ravo, mponina ao Ambohimangakely.
« Andraikitry ny polisy kaominaly no mandamina ireo mpivarotra ireto kanefa dia hita fa tsy ampy ilay fandraisana andraikitra sy fampanarahan-dalana » hoy i Hery, mpitatitra.
Raha ny voalaza hatrany moa, dia saika ahitana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalàna ireo avokoa ny faritra maro ao amin’ny kaominina, izay hanentanana ny tompon’andraikitra amin’ny fitondrana vahaolana mahakasika ity zava-misy ity.
Manitra Ramanantsoa
