ActualitésTatitra

Etats-Unis : Olona efatra no namoy ny ainy nandritra ny fianjerana fiaramanidina manokana iray

Fiaramanidina manokana na « jet privé » Cessna 560 Citation V iray niditra tao amin’ny faritanin’i Washington D.C. Raha ny fanazavan’ny NORAD (North American Aerospace Defense Command) dia namelona ny fanarirana io fiaramanidina io ary tsy namaly ny hafatry ny tompon’andraikitra ka voatery nanetsika ny fiaramanidina mpihaza F-16 izy ireo.

Taorian’izany dia nianjera tao amin’ny faritra be tendrombohitra tao atsimo andrefan’i Virginie, 270 kilometatra miala an’i Washington D.C. eo ho eo ilay fiaramanidina hoy ny FAA (Federal Aviation Administration). Nanamafy izy ireo fa nahetsika avy hatrany ireo mpamonjy voina saingy namoy ny ainy avokoa ireo olona efatra tao anatin’ny fiaramanidina.

Fantatra kosa taorian’izany fa an’ny orinasa Encore Motors of Melbourne ao Floride io fiaramanidina io. Niala tao Tennessee nikasa hiazo an’i Long Island io fiaramanidina io saingy tsy nipetraka izy ireo ary nandalo ny habakabak’i Washington D.C. Nilaza kosa ny tompon’ny orinasa, John Rumpel fa ny zanany vavy sy ny zafikeliny dia isany ireo namoy ny ainy tao anatin’io fiaramanidina io.

Laisser un commentaire