ActualitésTatitra

France : Vola 500 tapitrisa euros no entina hampandrosoana ny « intelligence artificielle »

Nandritra ny fitsidihan’ny filoha Emmanuel Macron ny hetsika fampirantiana VivaTech tao Paris ny alarobia teo dia nilaza ny tenany fa hanohana ny « intelligence artificielle ». Manoloana izany dia nanolotra vola 500 tapitrisa euros ho fampandrosoana io sehatra io ao amin’ny firenena ny tenany.

Nampanantena famatsiambola 50 tapitrisa ho an’ny « supercalculateur Jean-Zay » ihany koa ny filoha nandritra ny hetsika. Nanamafy i Emmanuel Macron tao anatin’izany fa maniry ny fampandrosoana ny « IA génératives » sy ireo modely lehibe amin’ny « open source » ny tenany ary vola 50 tapitrisa no hatokana amin’ny fanatanterahana izany.

Tsy tsara ny fankahala ireo olona mampidi-bola ho an’ny firenena hoy io filoha an’i France io. Nanazava izy fa omba ireo mampiasa vola rehetra ho an’ny toekarena. Tsy tokony ferany ireo mpandraharaha rehefa vonona ny hampiasa vola fa mila tohanana raha ny voalazany.

Laisser un commentaire