Dépêches

Iray volan’ny teny Malagasy : Nivoaka ilay boky « loharano nipoiran’ny teny Malagasy »

Dépêche 16 juin, 12h, Navoakan’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina ny boky « loharano nipoiran’ny teny malagasy ». Ity boky ity moa izay entina indrindra hanamarihana ny iray volan’ny teny Mlagasy eto Madagasikara. Angom-pikarohana mirakitra ny voka-pikarohana samihafa momba ny loharano niavian’ny teny malagasy  izy io. Tsy nampidirana petra-kevitra vaovao fa ny vokatra efa naroson’ny mpikaroka no narafitra  ho azon’ny besinimaro vakina anatina boky tokana. Voatsinjara telo anatina pejy 184 ny votoatin’ny boky ary ny tantaran’ny teny malagasy mihitsy no ao anatin’izany. Tsy amidy fa zaraina ho azo vakina amina tranomboky, eny amin’ny Akademia sy sekoly isan-karazany ity boky ity. Anisan’izany ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny Tranombokin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny tranombokin’ny Zanatsehatra Malagasy Ankatso…  

Laisser un commentaire