ActualitésTsidika

Famatsiana herinaratra: Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby

Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo izay tafiditra ao anatin’ny RIA izany. Mahazo fahatapahan-jiro adiny efatra isan’andro indray ny mponina rehetra tafiditra ao anatin’ny Réseau inter-connecté d’Antananarivo. Araka izany dia maneho ny alahelony indray ny vahoaka noho ireo olana maro be aterak’izany.

“Efa herinandro angamba izay no nitenenana fa hijanona ny fahatapahana. Amin’izao izany dia hiverina ho toy ireny indray dia ho simba indray ny entana ho varotina. Tena tsy azo hatokisana intsony mihitsy ny tenin’ity orinasa ity. Tsy hitako izay tsy hanolorana azy io ho an’ny tsy miankina”, hoy I Dina, mponina eny Ankorondrano, tamim-pahatezerana.

“Tsy vitan’ny efa lafo ilay vidin-jiro fa mbola sady tapahana foana. Angamba ihany koa ilay isika tsy mitokona no mahatonga io jiro io tsy hikaroham-bahaolana maharitra foana. Isaky ny hiteny dia mitady alaolana foana fa tsy vahaolana maharitra no haroso”, hoy kosa I Hervé tamin’ny fanehoan-keviny.

Marihina fa nanambarany avy ao amin’ny Jirama fa ny tsy fahampian-drano ao Andekaleka indray no miteraka ity tsy fahatomombanana ity. Rehefa vita ny ririnina dia ny rivotra no olana, rehefa avy eo ny hain-tany de tonga ihany ny fahavaratra avy eo ka tondraka ny rano. Tsy hisy vahaolana intsony ve izany?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire