Fanafody kankana natoraly
Tsy mahaliana ny olona loatra ankehitriny ny fihinana fanafody kankana.Tena ilaina anefa ny fihinanana azy io satria anisan’ny mitarika aretina toa ny aretim-bavony. Ny voasary makirana sy tongolo gasy no ampiasaina amonoana kankana. Ny tongolo gasy izay ahitana calcium, cuivre, zinc, potassium, magnésium ary vitaminina izay ilainy vatana nefa ihany koa mamono mikiraoba. Lasa poizina ho an’ny kankana izy rehefa afangaro voasary makirana.
Fomba fikarakarana azy,alaina ny voasary makirana 4 ary potserina hivoaka ny ranony, avela ilona mandritriny 4h ao ny tongolo gasy hasiny 6 izay efa voatetika. Afangaro amin’ny ronono indray kosa raha ho any zaza, ronono 1vera ary asina tongolo gasy hasiny 2 voatetika.Fomba fihinana azy,mihinana 1 sotro isa-maraina mandritrany 3andro misesy.
