Torohevitra: Fomba fanamboarana “confitures litchis”
Fotoan’ny fahavokaran’ity voankazo mamy be ity izao fiandohan’ny fahavaratra izao. Maro ny fomba azo hinanana azy io na hoanina amin’izao na haodina mba hanome endrika hafa sy tsiro hafa. Manankarena vitamine betsaka izy io izay tena ilain’ny vatana tokoa ka tsara hatrany ny finanana izany indrindra ho an’ireo ankizy mbola mitombo. Somary voasokajy ho sakafo mavesatra anefa izy ka mety maro no tsy hahazaka izany ka azo atao ny manodina azy mba hisityrahan’ny rehetra ny tsirony sy ny vokatyra Malagasy.
Azo atao ny mamadika ity voankazo ity ho “confiture”. Rehefa izany kosa anefa izy dia tsy azo hoanina betsaka noho izy mety ho mamy loatra. Toy izao ary ny fanaovana izany “confiture litchis”izany. Sasana tsara aloha ny litchis hiala ny bibikely mipetaka aminy, voasana tsirairay avy eo ary esorina ny voany sy ilay fotony kely eo @ voany eo. Andrahoina ambony afo malefaka tsy asiana rano fa asiana voasarimakirana ranony iray sotrokely ho an’ny litchis 1kg. Haroina matetika ary rehefa ritra tsara dia arotsaka indray ny siramamy avy nantsonika nitokana, siramamy 1/2kg ho an’ny ltchis 1 kg. Hafangaro tsara ary esorina ambony afo dia izay fa vita ny confiture litchis.
Azonao hoanina amin’ny mofo izany na hataonao fanambonina mofomamy fa matsiro foana hatrany. Mila mitandrina hatrany anefa satria mety ho mamy loatra ity vokatra iray ity ka hankarary. Ho fitandroana ny fahadiovana ihany kosa ho an’ireo izay mihinana litchis tsy voahodina dia hariana eny amin’ny toerana voatokana ho amin’izany ny voany sy ny hodiny.
Miora Raharisolo
