Dépêches

Raharaha MA.LA.MA: Nihemotra indray ny fotoam-pitsarana.

Dépêche 07 décembre, 12h30, Raha tsiahivina dia noentina teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy indray i Mahery Lanto Manandafy na i Malama hoy ny olona rehetra. Mbola tsy nisy moa ny taratasy fiantsoana ilay mpitory hanatrika ny fitsarana no anton’izany fanemorana izany. Amin’ny taona 2023 ny 31 janoary noho izany no fe-potoana nomen’ny Fitsarana indray hanaovana izany fitsarana izany. Tokony ny faran’ity volana desmabra izy no mivoaka eny Antanimora satria tapitra amin’izay ny “mandat de depot” 3 volana nomena azy raha tsy hisy indray ny “renvoi”. Marihina moa fa mbola tsy manangana saina fotsy i Malama fa mbola vonona hatrany izy hiaro sy hamoaka ny marina hoy ny fianakaviany.

Laisser un commentaire