Ambohimanga Rova : Mila tandrovana sy hajaina ny ala
Efa nahavita ny fambolen-kazo ihany koa ny kaominina ao Ambohimanga Rova niaraka tamin’ireo fikambanana misy ao an-toerana. Ho tratra tokoa ny tanjona raha samy mamboly hazo ny rehetra.
« Ho rakofana ala i Madagasika. Sarobidy ny hazo sy ny ala, mila kolokoloina. Tandrovana sy hajaina fa fototry ny aina » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. « Misaotra ireo fikambanana misy eto Ambohimanga nahavita ny adiidny niaraka tamin’ny ekipan’ny Kaominina. Mbola azontsika atao tsara ny mamboly hazo amin’izao vanim-potoana izao ho an’ny taranaka rahatrizay » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova. Zana-kazo manodidina ny 180 teo no voavoly nandritra ny hetsika fambolen-kazo nataon’izy ireo tany Ankazobe. Ny fambolen-kazo miaraka tokoa ny tagnamaro ho an’ny tontolo iainana.
Nicole Rafalimananjara
