SocialTsidika

Sosialy : Nahazo fanampiana ireo vehivavy ao amin’ny boriborintany faha-6

Fikambanam-behivavy miisa 50, ahitana olona 2 000, no nisitraka fanampiana. Ny minisiteran’ny Mponina sy ireo solombavambahoaka ary ireo manam-pahefana ao amin’ny boriborintany faha-6 no nizara izany.

« Sakafo sy fitaovana natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana ary fitaovana fanasana lamba no nozaraina. Anisan’ny nisitraka izany ny vehivavy mpilalao baolina lavalava, mpanasa lamba ary ireo vehivavy marefo ara-pivelomana monina eny amin’ny faritra iva ao amin’ny boriboritany faha-6. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanentanana ataon’ny minisitera mikasika ny fandrindram-piterahana eto an-drenivohitra izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina. « Isika vehivavy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fitantanana tokantrano. Laharam-pahamehana ihany koa ny fanofanana ireo vehivavy » hoy ny Minisitry ny mponina, Soafilira Princia.

Manana zo hanana fiainana mivoatra sy afaka hitady ary hamelona ny tokantrano ny vehivavy. Tsar ave ny famerana ny fiterahana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire