Tsenan’i Pochard: Efa azo ampiasaina ny karatra nomerika
Efa nanan-kery ary azo ampiasaina nanomboka omaly ny karatra nomerika. Natao handoavana ny haba-tsena ho an’ireo mpivarotra manodidina ny 3 400 ao amin’ny tsena Pochard ity karatra ity.
« Efa misy toerana efa natokana ho amin’izany izay ahitana tompon’andraikitra manoro ny fikirakirana azy manamorona ny tsena. Hanampy indrindra amin’ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny tsena ity karatra nomerika ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. « Ny tsena Pochard no misantatra izany karatra nomerika izany voalohany. Hanaraka miandalana ny an’ny tsena hafa » hoy ny tompon’andraikitra.
Tsiahivina fa 500 ar isam-bolana ny habantsena. Tsy hisy fiakarana izany ato anatin’ny roa taona. Hirariana mba tena handaitra sy hampandroso hatrany ny tsena eto amintsika ity karatra nomerika ity.
Nicole Rafalimananjara
