ActualitésTsidika

Kolontsaina: Afaka herinandro vitsivitsy dia efa afaka hampiasaina ny Kianjan’ny Hira gasy

Mizotra antsakany sy andavany ny fanamboarana ny Kianja ho an’ny Hiragasy etsy Anosy amin’izao fotoana izao. Nisy ny fitsidihana izay nataon’ny Minisitra mpiahy izany ka vinavianina ho afaka hiasa afaka herinandro vitsivitsy ity foto-drafitr’asa ity. Ny tanjona tamin’ny fananganana itony foto-drafitr’asa itony dia hahafahana manome sehatra lehibe ity harem-pirenena ity.

« Ho maimaim-poana ny fampiasana ny kianja ho an’ireo mpihira gasy. Misy sarany kosa anefa ho an’ny fikojakojana ny fotodrafitr’as iombonana. Tanjona lehibe ny hanomezan-danja ity kolontsaina mampiavaka ny Malagasy ity. Sambany Sambany teo amin’ny tantara no hanana fotodrafitrasa manaraka ny fenitra toy izao ity zava-kanto iray ity », hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Nampanarahana ny fenitra ny foto-drafitr’asa mba tsy ho ambanin-javatra ity kolontsaina miavaka ity. Etsy andaniny anefa raha tsar any fotodrafitr’asa kanefa ny mpankafy no miha-vitsy dia tsy misy dikany izany. Tokony haverina hampiroboroboana ity kolontsaina ity hahafahana mamerina azy indray ho isan’ireo maro mpankafy.

« Tokony hanokanana fotoana iray amin’ireo fitaovan-tserasera maro be ny Hira gasy. Ny tanora amin’izao efa tsy dia mankafy azy intsony. Ny fanapariahana azy ihany anefa no mampalaza azy. Ity kolontsaina ity izay sady fialam-boly no fampianarana no fananarana ihany koa », hoy ny avy amin’ireo mpandalina Kolontsaina.

Tsara ny mampatsiahy fa efa natolotra ny foiben’ny UNESCO Paris, tamin’ny volana avrily 2022 koa ny antontan-taratasy ho fangatahana ny hampidirana ny Hira gasy ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona na « patrimoine immateriel de l’humanité ». Amin’ny faran’ity taona ity no andrasana ny fanapahan-kevitra momba izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire