ActualitésTatitra

Kenya : Tafiakatra 200 isa ireo maty noho ny fifadian-kanina tafahoatra tao amin’ny fiangonana iray

Raha tsiahivina dia olona maro no maty ny hanoanana vokatry ny fifadian-kanina tafahoatra tao amin’ny fiangonana zandriny iray atao hoe « Église internationale de Bonne Nouvelle » tao Kenya nanomboka ny volana aprily teo. Raha ny fanazavana dia nilaza tamin’ny mpino ny tompon’andraikitr’io fiangonana io fa mila atao ny fifadian-kanina hatramin’ny fahafatesana mba « hihaona amin’i Jesosy ».

Tao anaty ala tao Shakahola, ao atsimo atsinanan’i Kenya no nahitana ny razana voalohany tamin’ny volana ambony teo. Taorian’izany dia nisokatra ny fanadihadiana ary razana maro no hita tao amin’ny faritra raha ny tatitry ny prefen’ny faritra, Rhoda Onyancha. Manoloana izany dia tafiakatra 201 isa ny maty vokatr’io fifadian-kanina tafahoatra io.

Mpamily fiarakaretsaka taloha antsoina hoe Paul Nthenge Mackenzie kosa no nitarika io fiangonana io ary efa voasambotra niaraka tamin’ny olona 26 hafa ny tenany.

Laisser un commentaire