France : Faly amin’ny fahatongavan’i Messi ao amin’ny PSG ihany koa i Amazon sy Canal+
Ny talata teo I Lionel Messi no tena voamarina fa hifindra ao amin’ny PSG. Faly tanteraka ny amin’izany ireo haino aman-jery mampita voalohany ny ligue 1. « Tombony lehibe amin’ny fampidiram-bola izany ary tena vintana lehibe mihitsy » hoy i Pierre Rondeau mpahay toe-karena sy talen’ny fanaraha-maso ny baolina kitra ao Jean-Jaurès.
« Tsy misy dikany ho an’i Amazon ny mividy ny 80% ireo fifaninana misy ity mpilalao malaza eran-tany ity amin’ny vidiny 250 tapitrisa euro » hoy izy hatrany. Efa mametraka an’ny Messi hisarihana ireo mpanjfany ao amin’ny « e-commerce » sy hampitomboana izany izy ireo. Ankoatra an’i Amazon sy Canal+ dia eo ihany koa i BeIN sports sy RMC sports.
