Iran : Tsy milaza ny zava-misy marina ireo haino aman-jery
Nijoro vavolombelona manoloana ny fahafenoan’ny toeram-pitsaboana sy ny tsy fahampian’ny zavatra ilaina fototra ao amin’ny hopitaly ireo mpitsabo sy ireo mafana fo ary ireo fianakavian’ny maririn’ny covid-19.
Sarina hopitaly milamina sy hari-fitaovana no asehon’ireo haino aman-jery iranien na dia miaiky ny fisian’ny andiany fahadimy sy ny fahalavoana olona maherin’ny 500 isan’andro aza izy ireo. Lavitra izany nefa ny zava-misy marina raha ny nambaran’ireo mpijoro vavolombelona ireo. Naparitak’izy ireo tamin’ny tamba-jotra sosialy ny sarin’ireo marary tsaboina eny an-jaridaina sy ao amin’ny parking ny hopitaly.
