France : Namoy ny ainy i Virgil Abloh
« Directeur artistique » ho an’ny lehilahy ny ao amin’ny Louis Vuitton i Virgil Abloh. mpamorona ny « Off-White » izy ary anisany sangany eo amin’ny tontolon’ny « stylisme ». Namoy ny ainy teo amin’ny faha 41 taonany ny 28 novambra teo noho ny homamiadana izy ary namela mananotany sy zaza mianadahy antsoina hoe Lowe sy Grey.Efa tamin’ny taona 2019 izy no nitondra io aretina io raha ny fanazavana saingy tsy nilaza izany tamin’ny daholobe. Homamiadana tsy fahita ary mahery vaika io nahazo azy io raha ny tatitra, « angiosarcome cardiaque » no iantsoana azy. Araka izany anarany izany dia ny fo no lasibany. Tampoka kosa, hoy ny talen’ny Louis Vuitton, Bernard Arnault, izany zava-niseho izany.
