Manandriana : Mikarakara fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina
Manao ny ezaka mba hisian’ny fianakaviana miorina ara-panjakana sy ara-piarahamonina hatrany ny kaominina ao Manandriana Avardarano amin’ny fikarakarana fisoratam-panambadiana faobe ny 17 janoary 2022 ho avy izao. Afaka hanantona ny biraon’ny Kaominina avy hatrany ireo izay te hisoratra anarana ho amin’izany.
« Tsara ny fanambadiana raha miorina ara-panjakana mba ahafahan’ny fianakaviana iray misitraka ireo zo tokony hananany eo amin’ny fanjakana » hoy ny ben’ny tanàna ao Manandriana. « Sarotra ny mikarakara fisoratam-panambadiana amin’izao fotoana izao, ka araraotina ny hetsika karakarain’ny kaominina tahaka izao » hoy i Benoît, mponina ao Manandriana. « Tena isaorana indrindra ny kaominina nikarakara izao hetsika izao satria tena manampy betsaka anay tokoa, ary misoroka indrindra amin’ny fisian’ny tokantrano maso ny toy izao » hoy i Francia, renim-pianakaviana monina any an-toerana.
Tsy manalavitra antsika tokoa ny fampandrosoana, fa miezaka manatona antsika tsirairay. Hetsika lehibe tokoa izao hampanarahan-dalàna ny fiorenam-panambadian’olon-droa ao anatin’ny kaominina iray. Irariana mba hiparitaka amin’ny kaominina maro tokoa ny tetik’asa toy izao, izay tena manampy betsaka ireo zatovo hiroso amin’ny fanambadiana sy ireo efa nikambana ela saingy mbola miaina ao anaty « tokantranomaso ».
Nicole Rafalimananjara
