Mampikony: Nikatona avokoa ny fivarotan-kena
03 Desambra, 08h02. Faona tanteraka ny latabatra fivarotan-kena ao Mampikony ny 2 desambra lasa teo noho ny olana eo amin’ny FIB na ny « Fiche Individuelle des Bovidés » no anton’izany tsy fisian’ny hena izany. Manahy ny hisian’ny fiakaran’ny vidin-kena ny mponina ao Mampikony amin’izao fotoana izao, raha mbola tsy voavaha ity olan’ny FIB ity.
