ActualitésTsidika

Faritra Boeny : Mikarakara hetsika fanomezan-drà

Nikarakara hetsika fanomezan-drà maimaim-poana ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny GMUR na Groupe Médical d’urgence izay natao ao Manga eo ampitan’ny Collège St-Gabriel nanomboka ny Alatsinainy 16 Aogositra 2021.

« Manome rà mampitempo ny fon’ny rehetra, Manome rà manome aina » no teny filamatra nentina amin’ity hetsika fanomezan-drà ity. « Antony iray hanatanterahina izao hetsika izao, ny tsy fahampian’ny rà ao amin’ny banky fitahirirzan-drà ao amin’ny hopitaly Pzaga Androva » hoy ny solotenan’ny Tale rezionaly ny fahasalamam-bahoaka Boeny. Anisan’ireo olona nanome rà maimaim-poana ny alatsinainy 16 aogositra 2021, ny Prefen’i Mahajanga. Tsy vitsy ihany koa ireo olona tazana teny an-toerana nanome rà maimaim-poana. “Tsara ny manome rà satria mamonjy aina maro izany. Izaho efa mpanome rà rehefa misy ny hetsika tahak’itony, tsapako sahirana tokoa ireo hopitaly amin’ny tsy fahampian’ny rà. Izahay manko efa tratran’izany tany amin’ny hopitaly. ” hoy i Nantenaina, renim-pianakavina iray. Anisan’ny fanantanterahana ny Velirano faha-5 ny Filoham-pirenena ny: “Fahasalamana ho an’ny rehetra amin’ny fotoana rehetra” hoy ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Boeny, izay nisolo-tena ny Governora. Hifarana ny 19 Aogositra 2021 ity hetsika fanomezan-drà ity.

Koa entanina hatrany ny vahoakan’i Mahajanga rehetra ho tonga hanome rà.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire