ActualitésTsidika

Fanotana fady tao Antalaha: Namoy ny ainy ny zanany

Lehilahy iray nanapaka hazo manankasina iray tao Ambodimanga kaominina Antananambo distrikan’Antalaha no namoy ny zanany vao roa taona monja. Nanambara lehibe ny fokotany sy ny fokon’olona tao an-toerana fa avy tamin’ny fanapahana hazo masina izay sady misy tsiny; tompoina sy hamasinina no nahafaty ilay zanany.

“Tapaka ilay hazo ary tsy mbola vita akory izay hampiasana azy dia maty tampoka ny zanak’ilay lehilahy iray isany lohany nitarika tamin’ity hazo lehibe iray ity.Tao aorian’ny nandevenana ilay zanany; nisy zavatra nisarona toa hery hafahafa tonga tamin’ilay renin’ilay zaza izay vadin’ilay lehilahy nanota fady. Nampiteny azy io ary torakovitra ireo nanatry maso.” Hoy Bako, mpiray vodirindrina.

“Nivoaka ny resaka; tena avy tamin’ny fikapana ilay hazo no nahafaty ilay zanany ary mbola hisy olona 08 hafa ihany koa ao aorian’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny tanora hatramin’ny antitra, ary ho tong any loza izay ao anatin’ny 07 herinandro ka hatramin’ny 07 volana raha ela indrindra. Nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra tany an-toerana ny amin’ny hanarenana ny hasin’ny hazo mba tsy hahatongavan’ny loza eo an-tanàna.” Hoy ny lehiben’ny fokotany.

Nanantanteraka Joro fifonana teo am-pototry ny hazo ireo mponina hialan’ny loza; namono omby iray mazava loha, mifehy Rambo izy ireo ho fanatanterahana izany. Vita ny 28 sy 29 ny volana oktobra teo izany. Efa milamina ny ao an-toerana amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire