Manana tombony ny FC Disciples amin’ny Coupe de Madagascar
Tontosa ny Alakamisy teo ny dingana ampahavalon-dalàna amin’ny lalao « Telma coupe de Madagascar » niadiana ny amboaran’i Madagasikara. Notontosaina tao amina kianja efatra dia Analamanga, Matsiatra ambony, boeny ary Vatovavy fitovinany. Klioba dimy ao amin’ny “Pro league” sisa no niatrika io fifaninana io. Anisan’izany ny Elgeco Plus, ny Cosfa, Adema, Unscafoot ary ny CS-DFC.
“Hiendrika famaranana kely mihitsy ity fifandonan’ny Disciples FC Analamanga sy ny Mama FC Betsiboka ity” hoy mpikarakara ny lalao tao alohan’ny. “Nanana tombony ny FC Disciples fa nilalao eny amin’ny kianja mahazatra azy ao amin’ny Elgeco Stadium” hoy kosa ny mpankafia ny taranja baolina kitra. Mpifaninana efa manana ny fahaiza-manao avokoa no nifaninana tamin’ny lalao. Nanamarika izany ny fihaonan’ny Cosfa sy ny JTM Boeny ary ny Fortior Club de la côte ouest.
Hasina Rasamimanana
