Seho an-tsehatra “Misaingy kalo”
Tanterahina rahampitso manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina eo amin’ny tranombokim-pirenena ny antsan-tononkalo « Misaingy kalo ». Poeta telo no hiadidy izany, ahita an’i Sunny Razakamanana pôeta sy mpanoratra ary Mpikabary, Hiaka ary Ny Tsiaro. Amin’ny fotoana io ihany koa no hamoahana ny sangan’asan’izy ireo, boky « Misaingy kalo ». « Mitandro ny hasin’ny teny amin’ny alalan’ny kalo ny boky. Ny tanjony dia hampitia ny tanora ny teny amin’ny alalan’ny literatiora. Misy pejy 100, ary natao amin’ny 12 000ar, tsy handiso fanantenana ny boky avoakanay telo mianadahy » hoy i Sunny.
Horavahana seho an-tsehatra miaraka amin’i Jonathan Walter sy Rehaly ihany koa izany ary filatroana miaraka amin’ny Seniorita Agency ny hetsika. Nanamafy Sunny fa « iarahana amin’ireo mpanankanto sy mpilatro ary ny mpitendry valiha izany, ary hisy hira iarahana amin’ny Bamb’s ». Maimaimpoana tanteraka ny fidirana amin’izany.
Midika hoe manaja, mitandro ny misaingy. « Mitandro ny hasin’ny teny amin’ny tononkalo ho reharehan’ny literatiora izany no hevitry ny misaingy kalo » hoy i Hiaka, mpandalina ny maha Malagasy sy mampianatra tantara. Miverina tsikelikely ny lafiny ara-kolotoraly eto Madagasikara izay nahita fihatoana be noho ny valan’aretina Coronavirus. Marihina fa tanterahina ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana hatrany ity hetsika ity.
Hasina Rasamimanana
