Andekaleka : Natao ny andrana ilay milina G2
Miezaka manarina ireo milina tsy tomombana ao Andekaleka ireo teknisiana. Natomboka androany tamin’ny 1 ora sy 20 min maraina teo ny fanaovana andrana ilay milina mpihary herinaratra G2. Nampiakarina tsikelikely ny tanjany ka nahatratra ilay tanjany faratampony 30 MW izany tamin’ny 5 ora maraina. Mbola arahi-maso kosa io milina G2 io hahafantarana marina ny tanjaka tokony ho zakany mba hisorohana ny mety ho fahasimbany.
