ActualitésTatitra

Ukraine : Nolavin’i Ukraine ilay « couloir militaire » mankao Biélorussie sy Russie

Nampanantena i Russie omaly fa hanokatra lalana na « couloir militaire » hamoahana ireo sivily hiala an’i Ukraine. Nanaraka ny fampanantenana nataony i Russie ary nitsahatra an’ady ka nanokatra ny lalana tao Kiev, Marioupol, Kharkiv ary Soumy. Mihazo tanàna ao Ukraine ihany ny sasany amin’ireo lalana ireo, anisany i Zaporojie sy i Poltava. Nisy ihany kosa nefa ireo nahafahana nihazo an’i Biélorussie sy Russie izay nolavin’i Ukraine.Talohan’io fampanantenana io dia mbola nidaroka baomba i Russie. Nanazava ny état-majorn’i Ukraine fa mikasa hanimba an’i Kharkiv, Tcherniguiv ao avaratra, Soumy ao avaratra-atsinanana ary i Mykolaïev ao atsimo i Russie ary manao fitsaharan’ady mba hanangonana fitaovana hamotehana an’i Kiev.

Laisser un commentaire