Canada : Tsara hoan’ny tontolo iainana ve ny fampiasana 5G ?
Ny 5G na « cinquième génération » dia mampanatena fanatsarana ny fampiasana ny teknolojia. Misy fiatraikany eo amin’ny tontolo iainana nefa ny fampiasa azy noho izy hampiakatra ny famoahana entona na « émissions de gaz à effet de serre ». Antony, ny fanamboarana zavatra maro hifandray izay hampitombo ny fampiasana angovo ihany koa.Nanao fanadihadiana misimisy kokoa mahakasika izany ny orinasa ao Canada iray. Nanazava izy ireo fa noho ny fahafahan’ny 5G mampifandray fitaovana maro dia hanova ny fampiasana internet izy saingy hanimba ny tontolo iainana. Hitombo ny « antenne » sy ny famokarana finday ary fitaovana teknolojika samihafa hoy i Martin Deron, tompon’andraikitry ny tetikasa fanamby nomerika ny « Chemins de transition ». Hampitobo ny « empreinte des carbone » 18 hatramin’ny 45% ao France fotsiny izany hoy ny hatramin’ny taona 2030 izao.
