France : Nivoaka ny lisitry ny kandida ho fidiana ho filoham-pirenena
Nandalo teo amin’ny Filankevitry ny lalàm-panorenana ny zoma teo ny « parrainage » ny kandida hirotsaka ho filoham-pirenena taona 2022. Olona 11 no nahazo sonia nihoatra ny 500 izao notakiana talohan’ny alakamisy teo.Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy noho izany ny lisitry ny kandida 12 ho fidiana filoham-pirenena ao France. Misy an’i Nathalie Arthaud, Fabien Roussel, Emmanuel Macron, Jean Lassalle, Marine Le Pen, Éric Zemmour, Jean-Luc Mélenchon, Anne Hidalgo, Yannick Jadot, Valérie Pécresse, Philippe Poutou ary i Nicolas Dupont-Aignan izany.
