Fahasalamana : Roa volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny CTC
Mitaraina ny mpiasan’ny CTC rehetra manerana ny nosy izay miisa 700 eoeo izy ireo. Efa roa volana izao no tsy karama izy ireo hany ka velon-taraina. « Misy efa ny fifanarahana arak’asa mazava nifanaovanay tamin’ny ministera. Akana mpanao gazety foana matetika ny ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka vao mamoaka karama. Tsy maintsy mitaky foana ve mahazo izany ? » hoy ireto mpiasan’ny CTC ireto. « Ny asanay dia miankina aman’aina tanteraka satria nisy ny namoy aina amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Izahay anefa tsy miala mihitsy satria manompo Tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy » hoy hatrany ny solotenan’ireto mpiasan’ny CTC ireto.
Tsy tokony hanaovana tsinotsinona tahaka izany ny aim-bahoaka. Ireto tokoa mantsy no mpandray an-tanana ny fahasalamana. Raha tsy mandray karama izy, iza no hitsabo ny marary ?
Nicole Rafalimananjara
