ActualitésTatitra

Italie : Lehilahy iray nosolokian’ny olotiany tao amin’ny tambajotra sosialy nandritra ny 15 taona

Mpilalao volley antsoina hoe Roberto Cazzaniga no nosolokian’ny vehivavy iray antsoina hoe Maya tao amin’ny tambajotra sosialy, izay fantany tamin’ny namana. Nilaza io vehivavy io fa mpilatro miasa ho an’ny marika Victoria’s Secret. Tsy mbola nihoana tamin’io vehivavy kosa nefa izy nanomboka ny niarahan’izy ireo tao amin’ny tambajotra sosialy tamin’ny taona 2008.Nahitana nialana tsy hiaonana taminy foana ity vehivavy ity, hoy izy, saingy nandefa sary azy foana ihany koa, antony nahatokisany azy. Ny sarin’ilay mpialatro brésilien Alessandra Ambrosio nefa no nampiasain’io Maya nisolokiana azy. Nandefa fanomezana sy vola taminy foana mantsy i Roberto Cazzaniga ary efa nahatratra 700 000 euros izany tao anatin’ny 15 taona.Ireo mpiara milalao volley taminy kosa no nampahafantatra azy ilay tena mpilatro brésilien ka nanokafana fanadihadiana ny raharaha. Vehihavy 50 taona antsoina hoe Valeria, monina ao amin’ny Sardaigne kosa no tompon’antoka tamin’io fisolokiana io rehefa nivaly ny fanadihadiana, ary olona telo hafa no niray tsikombakomba taminy tamin’izany.

Laisser un commentaire