France : Mpamono olona fantatra tamin’ny alalan’ny dian-tanany teny amin’ny fato-bolo
Efa tany amin’ny taona 1994 no nisy namono, rehefa handeha hianatra tao amin’ny sekoly Château-Thierry ao Aisne, i Nadège Desnoix. Nijanona ho mistery tao anatin’ny 27 taona ny tranga nahazo azy, saingy nahitana « AND » olona noahiahiana ny fatoram-bolony ny taona 2011 teo.Ny faran’ny volana novambra teo kosa vao fantatra fa lehilahy iray antsoina hoe Pascal Lafolie no nahavaona ny loza. Nanolana azy ity lehilahy ity, ary nanindrona antsy in-betsaka ny tratrany. Nihaiky heloka ity lehilahy ity nandritra ny fakana am-bavany azy, ary efa natolotra ny fitsarana ny alakamisy teo. Mahagaga ny maro kosa ny fahataran’ny fahafantarana ity lehilahy ity, nefa ny siansa efa tena mandroso.
