ActualitésTsidika

BTC: Hanomboka amin’ny zoma izao ny fampianarana

Hanomboka amin’ny zoma 01 desambra izao ny fampianarana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. mbola mitohy ny fandraisana anarana ho an’ireo izay mbola liana na mazoto hianatra ao amin’ny ivon-toerana, araka ny voalaza.

“Ho an’ireo izay maniry te hianatra na hanamafy taranja manokana, dia maimaimpoana avokoa ny fampianarana. Ao anatin’izany ny hianarana ny taranja anglisy, physique-chimie ary ny sciences naturelles” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

“Tafiditra ao anatin’ny hetsika izay atolotry ny BTC ny fampianarana. Izany dia natao indrindra hanampiana ireo ankizy sy tanora amin’ny fahalalana izay ratoviny any an-tsekoly sy hanohanana azy ireo amin’ny fanomanana fanadidinana isan-karazany. Efa maro ireo nahita tombotsoa tamin’ny fanarahana ny fampianarana teto amin’ny BTC” hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa maimaim-poana ny fampianarana izay ataolotry ny BTC ity. Eny amin’ny ivon-toerana BTC Ambohimangakely ihany koa no mianatra mandritra izany, izay eo anelanelan’ny Jovenna double sy ny Galodrome. Ho an’ireo mila fanampim-panazavana moa dia afaka miantso ny laharan-tariby 038 56 134 37.

Laisser un commentaire