La Réunion : Tontosa ny fitiliana hépatite B sy C, VIH ary IST maimaipoana
Manoloana ny fankalazana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny hépatite amin’ny 28 jolay izao dia nisy fitiliana maimaipoana sy tao anaty fanajana ny tsiambaratelo tanteraka tao Maréchal Leclerc, tao Saint-Denis omaly. Ankoatra ny hépatite dia nisy ihany koa ny fitiliana VIH sy aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo nandritra izany.
Raha ny fanadihadiana maromaro momba ny hépatite nataon’ny CHOR (Centre Expert Hépatites Virales Réunion-Mayotte) tao La Réunion dia fantatra fa ny 77% ny mponina dia tandindon’ny fitondrana ny hépatite C avokoa. Manoloana izany dia mila manao fitiliana matetika izy ireo.
Raha tsiahivina dia aretin’ny aty mety miteraka olana ara-pahasalamana goavana ary mety mitarika hatramin’ny fahafatesana ny hépatite. Olona 1,4 tapitrisa no matin’izany maneran-tany isan-taona.
