Etats-Unis : Azo antoka ny vaksiny Pfizer-BioNTech
Hita tao aorian’ny andrana ara-pikarohana nataon’ny fitondram-panjakana fa azo antoka ho mitondra hery fiarovana ho an’ny tanora ity vaksiny Pfizer-BioNTech ity. Nanome alalana noho izany ny fitondram-panjakana amerikanina fa azo atao amin’ny ankizy sy tanora 12-15 taona ity vaksiny ity manomboka ny fiandohan’ny herinandro ho avy io. Efa azo atao amin’ny tanora 16 taona no miakatra moa ity vaksiny ity hatreto ka izao nivoaka izao indray ny fahazoan-dalana hanao azy amin’ny 12 taona no miakatra. Mbola tsy misy kosa hatreto ny vaksiny natao ho an’ny zaza, izay mbola tsy atahorana haneho fahasarotana, ka mbola tsy laharam-pahamehana amin’ny vaksiny. Tokony hanao vaksiny avokoa ireo mponina araka ny hevitr’ireo manam-pahaizana, mba hifehezana ny fiparitahan’ity valan’aretina ity.
