Corée du Sud : Mbola mitohy ny fanadihadiana mikasika ireo olona 150 maty noho ny fifanosehana tao Séoul
Nisehoana fifanosehana nandoza tao amin’ny tanànan’i Itaewon tao Séoul ny 29 oktobra teo nandritra ny fankalazana ny « Halloween ». Olona 153 no maty tamin’izany raha ny tatitrin’ny manam-pahefana izay teratany vahiny ny 26 ary maherin’ny 150 kosa no naratra.
Voalohany hatramin’ny nisian’ny Covid-19 no nankalaza ny « Halloween » indray i Corée du Sud. Manoloana izany dia olona manodidina ny 100 000 isa nidina an-dalambe nankalaza io andro io. Nietiety ny lalana noho izany ary voasongona ny m² isaky ny olona 6 hoy i Dirk Helbing mahay manokana momban’ny « tremblement de foule ».
Rehefa mihoatra nefa izany hoy io mpikaroka io dia fifampikasohana kely fotsiny ihany dia mahatonga fifanosehana. Ny fahasemporana kosa no isany tena nahabetsaka ny taham-pahafatesana nandritra io fifanosehana io hoy ny tompon’andraikitra.
