ActualitésTatitra

Maurice : Miteraka famerana ny fampiasana ny rano ny haintany

Misedra ny haintany isany goavana indrindra teo amin’ny tantarany ny nosy Maurice amin’izao fotoana. Tamin’ny volana septambra 2021 teo no nisy rotsak’orana farany tao an-toerana. Manoloana izany dia nametraka famerana ny fampiasana ny rano madio ny fitondrana, ary manasazy ireo mirobaroba amin’ny fampiasana izany.

Raha ny tatitra dia miha ritra ny tohadrano lehibe indridra ao amin’ny nosy ao Mare-aux-Vacoas. Mikoriana amin’ny 6 km toradroa ao afovoan’ny zavamaniry mikitroka io rano io raha ny fanazavana kanefa ampahefatry ny rano sisa no hita amin’izao fotoana ary efa manomboka miseho ny tany. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa 34% ihany ny fahafenoan’ny fitehirizan-drano 7 ao amin’ny nosy ary antsasan’izany ihany no afaka zaraina amin’ny mponina.

Laisser un commentaire