ActualitésTatitra

France : Zaza herintaona matin’ny hafanana tao anaty fiara

Zaza herintaona no adinon’ny ray amn-dreniny irery tao anaty fiara tao Saint-Nazaire raha ny voalazan’ny mpampanoa lalàna tao an-toerana, Sylvie Canovas-Lagarde. Nahatratra 28°C nefa ny maripana ka rehefa taraiky nandritra ny ora maromaro tao anatin’ny fiara ilay zaza dia namoy ny ainy.

Tamin’ny 5 ora sy sasany io zaza io vao nisy nahita ka tsy afaka namelona azy intsony ireo mpamonjy voina. Hofotopotorana kosa ny ray aman-drenin’ny zaza sy ny vavolombelon’ny tranga rehetra raha ny voalazan’ny mpampanoa lalàna tao an-toerana.

Laisser un commentaire