ActualitésTatitra

France : Fahombiazana tanteraka ny famarotana ny « Citroën My Ami Buggy »

Fiara 50 tamin’ny « My Ami Buggy » ihany no natontan’ny orinasa Citroën namidy tao France. Tao anatin’ny 17 minitra sy 28 segondra monja nefa dia lany tanteraka ireo fiara namidy ireo. Namidy an-jotra tao amin’ny http://www.xn--citron-tva.fr/ami. tamin’ny vidiny 9 790 Euros izany, ary olona manodidina ny 1 800 no liana taminy.

Any amin’ny atsasaky ny volana aogositra kosa vao aterina any amin’ny tompony avy ny fiara rehefa mahazo laharana sy vita « personnalisation » amin’ny anaran’ny tompony. Raha tsiahivina dia ny taona 2020 teo no nampahafantarana io fiara io.

Laisser un commentaire