SocialTatitra

Myanmar : Mazava ny fanoherana ny fanonganam-panjakana

Nampitandrina hatrany ny teo anivon’ny ONU ny Alarobia lasa teo mahakasika ny « loza mety hitranga hateraky ny ady an-trano mbola tsy nisy toa izany” ao Birmanie amin’izao fotoana, roa volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny junta. Lasa faritra ady ny arabe amin’ny tanàna maro ao Birmanie amin’izao fotoana. Tsy nitsahatra ny fitokonana nataon’ireo mponina nanomboka ny voalohan’ny volana febroary lasa teo. Olona an’arivony no niara-nikapoka vilany ho fanoherana io fanonganam-panjakana io. Feno herisetra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mponina hany ka nanosika ny miaramila hitifitra amin ny bala tena izy ireo mpanao fihetsiketsehana. Efa niakatra fitsarana i ramatoa Aung ary ao maika aza mitombo andro aman’alina hatrany ny salan’isan’ireo olona maty any an-toerana. Maherin’ny 500 ny maty tao Birmania tamin’ny hery famoretana nataon’ireo miaramila sy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mponina.

Laisser un commentaire