ActualitésTatitra

OMS : Manara-maso variant vaovao antsoina hoe « Mu » ny OMS

Ny volana janoary teo tao Colombie no nahitana ity variant ity voalohany ary hanaramaso akaiky izany ny OMS raha ny fanazavany talata alina hatramin’ny alarobia maraina teo. Variant – B.1.621 no anarana siantifika nomena azy ary mbola “variant à suivre” izy hatreto . Misy « mutation » hatahorana ampiala ny hery fiarovana mantsy ity variant ity ka mbola mila fikarohana be be kokoa ahitana ny tena toetoetrany hoy izy ireo.

Efa mahatratra 39% ny mponina ao Colombie nefa no tratrany ary 13% ao Equateur. Ankoatra azy dia variant dimy hafa ihany koa no mbola arahan’ny OMS ary efatra no tena ahatahorany izay misy ny variant Alpha, hita amina firenena 193 sy ny variant Delta, hita amina firenena 170.

Laisser un commentaire