Etats-Unis : Inona moa no atao hoe « football américain » ?
Lalao iombonana hifanatrehana ekipa roa misy mpilalao 11 avy ny Football américain. Mahazo isa ambony amin’ny fitondrana ny baolina ao amin’ny tsato-by ny mpifanandrina no tanjona amin’izany. Ny soccer na “football association” sy ny rugby no nisintonana azy tany amin’ny taona 1861. Ny 6 novembre 1869 kosa nanatanterahina ny lalao Football américain voalohany izay nifandonan’ny Rutgers 6-4 tamin’ny College of New Jersey.
Lalao mahery setra ny Football américain, mifidy mpilalao izy. Natokana ho an’ireo olona lehibe sy matanjaka ary haingam-pandeha izy. 82Kg amina 1,75 metatra no fenitra napetraka saingy mahatratra 112Kg amina 1,87 metatra kosa izany ho an’ny mpilalaon’ny NFL. Mila olona mafy toto mandrafitra ny “ligne”ny lalao, olona lava sy mailamailaka eo amin’ny “running back” sy ny “wide receiver”. Ny “quarterback” kosa no tokony hatanjaka sy fetsy indrindra amin’ireo mpilalao ireo.
