ActualitésTatitra

Comores : Takwa Bio Food, orinasa mamokatra zava-pisotro ho an’ireo diabetika

Nosy tsy tapaka voankazo i Ndzuani. Amin’izao fotoana dia mirongatra ny manga sy ny mananasy ary ny litchi eny an-tsena ka nanapa-kevitra i Ouinasse Mohamed El-had, fa hamokatra ranom-boankazo ho an’ireo diabetika. Tompon’ny orinasa mpamokatra zava-pisotro Takwa Bio Food i Ouinasse Mohamed El-had izay injeniera « biotechnologie » manam-pahaizana manokana momba ny « agroalimentaire ».

Marihana fa tsy misy « conservateur » ny vokatry ny Takwa Bio Food, vita amin’ny voankazo 100% na voatabia novoasana izany. Misy ihany koa ireo vokatra tsy misy siramamy naokana ho an’ny olona diabetika. Ao Mtsamdu ya Ndzuani kosa no misy toeram-pamokarana io zava-pisotro io ary efa manao andrana famokarana vokatra vaovao ny orinasa hoy ny mpandraharaha Ouinasse Mohamed El-had.

Laisser un commentaire